Ambohimanambola : Mitohy hatrany ny fampianarana zaitra
Mitohy hatrany ny fampianarana zaitra ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Manomboka mafehy zaitra maro ireo mpianatra.
« Tena hita ho nivoatra tokoa ireo mpianatra teto. Hinoana fa afaka ny hiasa tena sy ho mpanjaitra matihanina tsara izy ireo aorian’izao » hoy ny mpampianatra. « Ho fanampiana betsaka ireo tanora mba handraharaha sy hanana ny asany manokana no tena tanjona. Efa hisy ny andiany manaraka aorian’ity andiany voalohany ity hoa n’ireo nisoratra anarana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola.
Manampy ny tanora tokoa ny fampiofanana arak’asa tahaka izao. Hirariana mba tsy hijanona ao Ambohimanambola ihany fa hiparitaka amin’ny toerana maro.
Nicole Rafalimananjara
