Chine : Monastère Shaolin, tempoly malaza indrindra ao atsinanana
Tempoly bouddhiste « Chan » ny Monastère Shaolin. Eo amin’ny tendrombohitra Song, any amin’ny faritanin’i Henan no misy azy. Efa tamin’ny taonjato faha-5 izy no niorina, ary malaza amin’ny fampiasany ny haiady nentim-paharazana, indrindra ny kung-fu Shaolin.
Avy amin’ny teny hoe « shào », midika hoe « tanora », ny « Shaolin ». Manondro ny « shàoshi » izany, izay anaran’iray amin’ireo tendrombohitra mivondrona ao amin’ny tendrombohitra Song.
« Monastère bouddhiste » malaza indrindra any amin’ny firenena tatsinanana ny « Monastère Shaolin ». Ny « abbé » Shi Yongxin no mitantana azy, ary ny « abbé » Shi Yanlu no mpampianatra haiady. Olona maro eran’izao tontolo izao no tonga ao amin’io toerana io mianatra haiady. Tsy afaka mitoetra ao amin’ny tempoly nefa ireo olona ireo ary tsy maintsy mandoa saram-piofanana.
