ActualitésTatitra

Etats-Unis : Disneyland, toeram-pialam-boly goavana

Raharaham-barotra (business) tena mitoborobo ny Disneyland Park. Efa mivelatra amin’ny toerana maso izy fa ao amin’ny tanànan’i Anaheim ao Californie no misy azy ao Etats-Unis. Io ao an-toerana io no « royaume enchanté » tokana noforonin’i Walt Disney izay notokanana ny 17 jolay 1955. Heritaona mahery ny nananganan’ny Walt Disney Imagineering azy.

Toeram-pambolena voasary taloha no misy ny DisneyLand aoAnaheim. Misahana velan-tany 730 000m² izany saingy ny 324 000m² amin’io ihany no tena « parc ». Tafiditra ao anatin’ny Disneyland Resort izy io izay ahitana « parc » iray hafa, Disney California Adventure sy hotely maromaro ary toeram-pivarotana.

76 $ (300 000 Ar) ny vidim-pidirana iray andro ao amin’ity toeram-pilalaovana ity.

Laisser un commentaire