Iharamy : Nisitraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro
Nisitraka ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny fokontany Iharamy Ambohimanambola taorian’ny fokontany Ambohimanambola Gara sy Ampahimanga ary Tanjonandriana. Miankina tanteraka amin’ny filàn’ny mponina ny fametrahana jiro.
« Mitohy hatrany ny fametrahanaa jiro mandeha amin’ny masoandro hanazava ny tanàna. Hisitraka izany avokoa ny fokontany 10 manerana ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Tsara raha saro-piaro ary miaro ireny fananana iombonana ireny isika mponina eny ifotony. Tena ilaina tokoa mantsy ny hazavana manoloana ny tsy fandriam-pahalemana » hoy ny tompon’andraikitra.
Ny fokontany Ambohipeno sy Andranomanga indray no hisitraka izany tsy ho ela ao Amboimanambola.
Nicole Rafalimananjara
