5 may : Andro manerantany ho an’ny mpampivelona
Tao anatin’ny 15 taona izay no nosakajiana ho isan’ireo asa tsara manerana izao tontolo izay ny asan’ny mpampivelona. Androany, 15 may no hahatsiarovan’izao tontolo izao ny andro manerantany ho azy ireny. Mpamelona, sy mpanome aina ary tena manana lanja lehibe eo amin’ny fiaraha-monina noho izy mandray an-tanana kokoa ny reny sy ny zaza izay ipoiran’ny olombelona. Mandray an-tanana ny fianakaviana amin’ny ankapobeny izy ireo ary manana herin-tsaina goavambe manoloana ny asany. Manao ahoana ny anjara toeran’ny mpampivelona eto Madagasikara, indrindra manoloana ny renin-jaza ? Midika ve izany fa tsy ampy ny isa raha ny eto amintsika manokana ? Tsy dia ahitana izany mpampivelona na « sage-femme » izany manko manerana ny hopitaly na CSB manerana ny nosy. Misy aza ny olona tsy mahalala izany akory, indrindra ny any amabnivohitra : na dokotera, na renin-jaza, na mpitsabo mpanampy no mandray an-tanana azy ireo rehefa hiteraka. Tsy ampy isa ny mpampivelona. Noho izy miandraikitra ain’olona roa anatin’ny fotoana iray ve ka mampitahotra ireo tanora ? Firifiry moa no maty eo am-piterahana na ny zaza na ny reniny noho ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso mandritra ny vohoka, izany anefa no tena anjara andraikitry ny mpampivelona. Manaramaso aloha sy mandritra ary aorian’ny vohoka.
Nicole Rafalimnanjara
