Etats-Unis : Hopitaly iray indray no nisehoana fifampitifirana
Lehilahy iray no nanokatra fifampitifirana tao amin’ny hopitaly iray tao Atlanta, ao atsimon’i Etats-Unis ny 3 may teo. Teo amin’ny mitatao vovonana teo no nitrangan’ny tifitra ary tao amin’ny efitrano fiandrasana eny amin’ny toeram-pitsaboana no nisehoan’izany. Manoloana ny tranga dia iray no namoy ny ainy ary olona efatra kosa no naratra.
Nitsoaka avy hatrany ilay lehilahy taorian’ny fitifirana nataony ary rehefa nikaroka azy nandritra ny ora vitsivitsy ireo manam-pahefana dia nahasambotra azy ihany. Raha ny tatitr’izy ireo dia lehilahy antsoina hoe Deion Patterson io nahavanon-doza io ary mpiambina ny sisintany no asany taloha. Nanazava kosa ny ben’ny tanàna tao Atlanta, Andre Dickens fa vehivavy avokoa, eo anelanelan’ny 25 sy 71 taona no notifirin’io lehilahy io.
Mbola tsy fantatra mazava kosa raha nisy olona nokendren’i Deion Patterson manokana nandritra io fanafihana nataony io. Mbola tsy voavaha kosa ny olan’ny fananana basy ao Etats-Unis. Raha ny fantatra dia olon-dehibe iray ao anatin’ny telo no manana izany ary olona iray ao anatin’ny roa no miaina ao amin’ny tokantrano manana izany ao an-toerana.
