ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Tracteur iray niongana teo ampampiakarana camion tao Mahazo

Tranga iray no nanaitra ny mpandalo tao Mahazo, manodidina an’Ambohimangakely ny alarobia maraina teo. Fiara vy (tracteur) iray no niongana, nivadika teo ampampiakarana fiara lehibe iray.

« Tsy fantatra mazava ny tena nahatonga ny tranga, na olana ara-teknika na olana teo amon’ny mpamily noho ny tsy fampifandanjana ny lanja teo amin’ireo fitaovana roa tonta. Ny tranga no nanaitra ny teto amin’ny manodidina » hoy i Oméga, mpivarotra ao Mahazo.

« Mila fanaraha-maso sy fandraisana andraikitra eo amin’ny tsirairay, indrindra fahamailona ny tranga tahaka izao. Mety ampidi-doza ny hafa ny tsy fitandremana kely » hoy i Armand, mpitondra fiara.

Tonga ara-potoana teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana nandamina ny fifamoivoizana sy nijery ny zava-misy. Voaarina ara-potoana kosa ireto fitaovana ireto taorian’ny fandraisana fepetran’ny orinasa colas.

Manitra R.

Laisser un commentaire