Etats-Unis : Vehivavy iray no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana
Hita faty ny alahady ny paska teo tao an-tranony tao Caroline du Nord i Laura Miller, 35 taona. Ireo olona nipetraka tao ambaniny no niantso ny manam-pahefana rehefa nisy ra namaritra teo amin’ny « plafond » an’izy ireo.
Rehefa tonga tao an-toerana ireo manam-pahefana dia ny razan’ilay vehivavy voadidina hazofijaliana sy sira no novantanin’izy ireo. Naratra mafy teo amin’ny tarehiny ilay vehivavy ary tsy nisy namantarana azy intsony raha ny tatitra. Nofatorana kosa ny tongony, nisy may teo amin’ny feny ary voadidiy teo amin’ny foatrany sy ny tendany. Notapahana kosa ny lelany ary nofo maro no naparitaka tao amin’ny trano.
Lehilahy iray antsoina hoe Miguel Gonzales Rosales kosa fantatra fa nahavanona io loza io. Mpiray vodirindrina amin’ny Laura Miller izy ary nifamaly tamin’io vehivavy io telo andro tao alohan’ny loza. Tratra teo am-pamiliana ny fiaran’i Laura Miller kosa izy ary efa notanana am-ponja vonjimaika.
