Laura Rasoanaivo: Notolorana “trophée de reconnaissance”
Dépêche 19 avril, 13h, Noho ireo zava-bita tsara maro be nataon’i Laura Rasoanaivo teo amin’ny taranja Judo dia notoloran’ny Federasiona Malagasin’ny Judo ny « trophée de reconnaissance » ny tenany. Tao anatin’izany ny fandresena nifanesy azony. Laharana voalohany eran-tany teo amin’ny sokajy Juniors -70 kg, medaly volamena 5, medaly alimo 1 nandritry ny Opens sy Coupe d’Afrique tany Tunisie, Algérie ary Angola. Mbola maro no afaka mihoatra ahy hoy izy eto Madagasikara ary mirary ireo izay vao hisondrotra tsy ho kivy amin’ny ezaka maro be mila atrehina. Nnaolotra torohevitra moa ny tenany fa tsy mora ny fahatongavana amin’ny toerana tahaka izao fa mila ny finiavana sy faharetana ary fiezahana foana avy amin’ireo izay tena vonona.
