ActualitésTsidika

Tsy fanjarian-tsakafo: Mangataka fanampiana farany izay haingana ny vahoakan’ny Vangaindrano

Mitoetra ao amin’ny Distrikan’ny Vangaindrano indray amin’izao fotoana izao ny tsy fanjarian-tsakafo. Matetika loatra tato ho ato izay ny fandevenana indirndra ireo ankizy kely noho hanoanana. Maherin’ny olona 120 amin’izao fotoana izao no efa nindaosin’ny fahafatesana hatramin’ny volana febroary noho ity mosary ity any an-toerana. Ilaina ny fanampiana farany izay haingana avy amin’ny fitondram-panjakana izany.

“Efa tena antin’ny mosary tanteraka ny mponina eto Ambatolava, Vangaindrano. Ireo ankizy no tena mijaly tsy misakafo ka lasa mihinankinam-poana hahafahan’izy ireo miaina. Araka izany dia misy amin’ireo ankizy no mihinana poizina ka izany no mitarika ny fahafatesany. Misy ihany koa ireo tsy mahazaka hanoanana ka izany no mitarika azy amin’ny fahafatesana”, hoy ny Ben’ny tanànan’ny Ambatolava.

Ankoatra ny vahaolana ho an’ny fotoana tsy maharitra toy ny fizarana sakafo dia tokony hikaroka vahaolana maharitra ihany koa ny tompon’andraikitra. “Azo atao ny manamboatra ny lakan-drano hahafahana mamboly satria anisan’ny sehatra iray tsy azo trandrahina any an-toerana ny fambolena noho ny tsy fisian’ny rano. Mila ampiana amin’ny sehatry ny fampananana asa ihany koa ireo mponina hahafahana mamaha izany olana izany”, hoy i Liva, mpahay toe-karena.

Manantena vahaolana malaky ny tompon’andraikitra any an-toerana mba hahafahana manavotra olona an’arivony. Raha mbola tsy misy ny vahaolana anatin’ny fotoana vitsy dia mbola hitombo avo roa heny ihany izany taham-pahafatesana izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire