Dépêches

Toe-karena manga : Nahazo fanamafisam-pahalalana mahakasika ny fampamokarana maharitra ho an’ny jono madinika i Madagasikara

Dépêche 19 avril, 14h, Nanana solontena niatrika ny fampiofanana momba ny fampamokarana maharitra ho an’ny jono madinika tao Yokohama i Madagasikara. Avy amin’ny JICA no naolotra izany fampiofanana izany. Ny tanjona tamin’izany moa dia ny mba hahafahana mampiroborobo ny fiompiana an-dranomasina na « pêche et valorisation des ressources » toy ny Congres,  Crabe, Abalone, Langoustes, Calmar, Luciole, Thon, ary ny fomba fanodinana sy fitehirizana vokatra hazandrano nentim-paharazana nohavaozina. Tsy ambakan’izany ihany koa ny fomba fandrahoana hazan-drano matihanina sy ny fomba fitantanana miaraka ireo loharanon-karena an-dranomasina. Ny solon-tenan’ny ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena manga no nanatrika izany fiofanana izany nandritra ny 4 andro.

Laisser un commentaire