Ambohidrabiby: Vita soa aman-tsara ny fanofanana ireo vehivavy
Kaominina faha dimy nanatanterahan’ny fikambanana Miotisoa ny fampiofanana maimaim-poana, amin’ny fanamboara mofo mamy, ny kaominina Ambohidrabiby. Tahaka ny tany amin’ireo kaominina hafa, fahombiazana hatrany no azon’ny fikambanana nandritra izany.
« Tontosa soa aman-tsara ny fampiofanana ny vehivavy teto Ambohidrabiby. Ny fanirian’ny fikambanana moa dia mba hitondra soa ho an’ny mpiofana tsirairay ny fahaizana nozaraina teto, mba hivoarany eny amin’ny tontolony » hoy ny avy amin’ny fikambanana.
» Mahafinaritra ny fampiofanana sy ny fifampizarana nentin’ny fikambanana. Afa-po tokoa izahay nanaraka ny fiofanana. Hisaorana ny fikambanana nanolotra izany » hoy i Fanja, mponina ao Ambohidrabiby.
Tsy mampiofana amin’ny fanamboarana mofo mamy ihany moa no ataon’ny fikambanana Miotisoa, fa mampianatra sy manabe ny vehivavy ihany koa izy ireo amin’ny fahaiza-miaina sy ny fahaiza-mizara amin’ny hafa.
Manitra R.
