Amoron’i Mania : Hovahana ny olan’ny jiro sy ny rano
Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra sy ny mpiasan’ny Jirama ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo. Nampitaraina ny mponina any an-toerana toerana tokoa tsy fahampian’ny herinaratra.
« Mila vahana ny olan’ny jiro sy ny rano. Tsara raha mitady hevitra hanitarana ny famokarana ny herinaratra ny tompon’andraikitra manerana ny kaominina ato ami’nny faritra Amoron’i Mania » hoy i Felana, mponina ao Ambositra. « Tanjona ny hamokarana herinaratra 3MA hatramin’ny 4MA. Misy ny fanatsarana ny rafitra ao amin’ny Jirama » hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Ankoranafo, Ramaroson Andry. Zava-dehibe tokoa ny fanatsarana ny rafitra ao amin’ity orinasa ity mba ahafahana manafaingana ny tetik’asa.
Nicole Rafalimananjara
