SocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy tsena mora teny Ambohitrarahaba

Nisitraka tsena mora indray ny mponina tao amin’ny Fokontany Ambohitrarahaba Ankadikely Ilafy. Nizotra tsara tamin’ny an-tsakany sy an-davany ny fitisinjarana izany.

« Nilamina an-tsakany sy an-davany ny Tsena Mora teto Ambohitrarahaba. Natrehin’ny solon-tena avy amin’ny minisiteran’ny varotra mihitsy aza izany » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Eny amin’ny Fokontany Ambohipanja indray kosa no misy ny Tsena Mora anio ny Alakamisy 10 febroary 2022. Aza adino mandrakariva ny manaja ny lamina eny an-toerana » hoy ny tompon’andraikitra amin’ny tsena mora ao Ankadikely Ilafy.

« Tena mamaha ny olana amin’ny ampahany aloha ny tsena mora. Mora noho ny eny amin’ny fivarotana tsotra mantsy ny entana amidy. Manamaivana ny fahasahiranana mihitsy izy aloha » hoy i Tanjona, mponina ao Ambohitrarahaba. Tsara foana ny mampatsiahy fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana hatrany isika. Ilaina foana ny manaraka ireo sakana ara-pahasalamana efa napetraka, toy ny fanaovana arotava. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire