ActualitésTsidika

Herinandro masina : Nandray fepetra vaovao ny Polisim-pirenena

Ao anatin’ny herinandro masina mialohan’ny fankalazana ny paska isika izao. Nandray fepetra vaovao ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena mba ahafahan’ny olona miaina anatin’ny fandriam-pahalemana.

« Asiana Polisy isaky ny fiangonana eto Antananarivo. Misy ihany koa ireo Polisy manao fisafoana amin’ny lalana sy toerana samihafa » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. « Misy ireo fiangonana mivavaka hatramin’ny alina. Mila ampanjakana tokoa ny fandriam-pahalemana mba ahafahan’ny olona mody am-pilaminana hatramin’ny andro fankalazana ny Paska ho an’ny faritra eto Analamanga » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.

Mahakasika ny fifamoivoizana sy ny fiarovana ny olona ireto fepetra noraisina ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga ireto. Mila mitandrina sy mailo mandrakariva hatrany anefa isika vahoaka mandritra izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire