Ambohimanambola: mitohy ny fanaraha-maso mahakasika ny paik’ady momba ny rafim-pitantanana fako
Taorian’ny firotsahana an-tsehatra nataon’ireo tomponandraikitra misahana ny service Raoka Fako ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, mahakasika ny fametrahana ny toeram-pitsinjarana fako amin’ny vohitra Talakimaso, fokontany Iharamy, dia mitohy ny fanaraha-maso ataon’izy ireo amin’izao fotoana.
“Ao antin’ny fizohiana sy fanaraha-maso ary fanatsara tanteraka ny paikady mahakasika ny rafim-pitantanana ny fako isika ankehitriny. Mipetraka tsikelikely lasa fahazarana ireo paikady ary mitarika fametraham-panontaniana ho an’ireo misalasala ny vokatr’izany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Tsy tapitra ny ezaka satria dia aorian’ny Iharamy dia hiroso amin’ny Ampahimanga ary ambohibato indray ny fanokafana ny servisy. Tanjona ny hipetrahan’ny servisy amin’ny fokontany sokajy A ( Fokontany miteraka fako betsaka) alohan’ny faran’ny volana Desambra” hoy hatrany ny fanazavana.
Raha tsiahivina, ny 30 oktobra teo no tonga nanao fandraisana vonjimaika ny toerana fitsinjarana fako tao amin’ny vohitra Talakimaso ny tomponandraikitra. Hanomboka hiasa tsy ho ela ihany koa moa ireo fikambanana natsangana tao an-toerana.
