ActualitésSportTsidika

Alasora: Miditra amin’ny lalao ampahefa-dalana ny “tournoi du maire 2023”

Miditra amin’ny lalao ampahefa-dalana ny fifaninanana baolina kitra, tournoi du maire 2023, ao amin’ny kaominina Alasora. Amin’ny alahady 12 novambara izao, eny amin’ny kianja Est Mahazoarivo hatrany no hanatanterahana ny fifaninanana.

« Hanomboka amin’ny 12ora atoandro ny lalao amin’ny alahady izao. Hiakatra kianja voalohany ary hifaninana mandritra izany ny fokontany Ambohimarina sy ny Ankazobe. Aorian’izay kosa ny lalao hifanatrehan’ny ekipan’Ankadindratombo sy Mahatsinjo” hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

“Efa vonona avokoa ny mpilalao ary hisaorana ireo rehetra nanohana hatramin’izay. Mbola entanina hatrany anefa ny rehetra amin’izao dingana manaraka izao satria ny fanohanana sy ny firaisan-kina no mampandroso ary manome aina ny fanatanjahan-tena eto amintsika” hoy i Toky, mpilalao baolina.

Miakatra hatrany ny lentan’ny baolina kitra ao amin’ny kaominina Alasora. Ny mpitantanana ny kaominina ihany koa dia anisan’ny manome sehatra izany ary tsy manao izany ambanin-javatra. Zava-dehibe tokoa izany ho fampandrosoana ny tanora.

Laisser un commentaire