ConseilTsidika

Torohevitra : Manan-karena singa ilain’ny vatana ny kaki

Manan-karena rano sy siramamy, izay tena ilain’ny vatantsika ity voankazo irey ity. Ilay izy masaka tsara no fihinanana azy ary tsy maintsy voasana, satria ilay nofony iny no tena mitondra ireo vokantsoa entiny. Rano no mandrafitra ny 66% n’ny kaki ary manan-karena “carbone” ihany koa izy. Eo amin’ny 15 grama hatramin’ny 100grama eo ny siramamy ao aminy rehefa masaka tsara izy. Manome hery sy tanjaka betsaka, hatrany amin’ny 66Kcal ny nofona kaki 100g, ary 2.5g kosa ny lanjan’ny fibra hita ao anaty kaki 100g. Ankoatra izay, ilay loko mavo manopy volomboasary amin’ny kaki iny dia manaporofo fa manan-karena « carotènes », « lycopènes », ary « xanthines » ity voankazo ity, izay ilain’ny fahasalaman’ny maso sy ny aty ary manatsara hoditra. Manampy ny vatana handrindra ny fikorian’ny rà ny kaki. Manana fahafahana handrindra ny menaka ao anaty vatana koa , ka mandamina ny tahana kolesteroly no sady mandanjalanja ny tosi-drà. Tsara ho an’ny olona marary vavony ary mamporosika amin’ny fahazotoan-komana ity voankazo ity. Anisan’ny miaro amin’ny fiforonan’ny homamiadana ihany koa izy ary manan-karena vitamine A,B,C.

Vokatra ny kaki amin’izao fotoana koa tsara raha mazoto mihinana azy ho antoky ny fahasalamana.

Laisser un commentaire