ActualitésTsidika

“Parler en public, TED, le guide officiel” boky ao amin’ny fivarotam-boky CMPL, hanampy anao

Misy fotoana iray ianao sendran’ny tsy maintsy handray fitenenana imasom-bahoaka. Ilaina fahaizana anefa izany. Misy ity boky ity ao amin’ny fivarotam-boky CMPL azonao jifaina. Mety ho an’ny mpianatra ity, indrindra ny mpianatra eny amin’ny anjery manontolo. Natao ho an’ireo izay efa miasa ihany koa indrindra ireo mpitantana orinasa. Torohevitra sy torolalana ho an’ny fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka no raketiny.

Asehon’ity boky ity fa mahavita azy isika rehetra. Mazava ho azy, ny fandraisam-pitenenana tsirairay dia miavaka: tsy misy fomba azo atao hoe hahombiazana isaky ny fotoana rehetra. Saingy misy singa tena azo antoka ato anatin’ity boky ity. Ankoatra ireo torolalana ara-teknika dia misy ihany koa ny torohevitra ho an’ny fisehoana ivelany.

Tsotra, fohy, manentana ny fomba fiasan’ny TED hatramin’izay ary mbola hita ato anatin’ity boky ity ihany koa izany. Azo jifaina ao amin’ny Librairie CMPL Isoraka izany.

020 22 244 62

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire