ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Vita ny sonia fifanaraham-piara-miasa eo amin’ny kaominina sy ny Association Miotisoa

Notanterahina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny Association Miotisoa. Mahakasika indrindra ny fitantanana ny fako sy ny fikojakojana ireo foto-drafitr’asa ao an-toerana izay tafiditra ao anatin’ny tetik’asa Lalan-kely II izany, araka ny voalaza.

« Izao no tontosa dia efa nandalo ny dingana rehetra araka ny lalàna mifehy ny tsenam-baro-panjakana, ka ny Association Miotisoa no voafidy tamin’ireo fikambanana nandray anjara rehefa natao ny tolo-bidy » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Fokontany miisa telo, dia ny fokontany Manjaka, Ambohibe ary Antsampandrano no hanantanterahan’ny fikambanana ny asa amin’izao fanombohana izao, fa heverina kosa ny hanaovana izany amin’ireo fokontany miisa 15 hafa ato anatin’ny kaominina ao aoriana kely » hoy hatrany ny avy amin’ny kaominina.

Marihina moa fa anisan’ireo nanontrona sy nifanome tanana nandritra izany lanona ofisialy izany ny ny lehiben’ny boriborin-tany Ankadikely izay nisolo tena ny lehiben’ny distrika Avaradrano sy ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire