ENS Ampefiloha: Manamafy ny fangatahany ireo mpianatra ho mpanabe
Fandorana kodiarana, fanakanan-dalana, kiakiaka fangatahana valiteny, izany no heno teny amin’ny toeram-pampiofanan’ireto mpianatra ho mpanabe eny amin’ny ENS Ampefiloha ireto. Raha tsiahivina dia tapitra ny alatsibainy teo ny fe-potoana farany nomen’izy ireo ny Ministera mba handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana ka izao izy ireo mivoaka amin’ny fahanginany izao.
“Raha tsy handray ohatra afatsy ny mpianatra mivoaka avy amin’ny lalam-piofanana fahasalamana fotsiny aho dia betsaka izy ireo no voaray ho mpiasam-panjakana. Hatraiza hatraiza ity sehatry ny fampianarana ity dia tsinontsinoavina hatrany ka zary very mazina fotsiny ny ezaka izay hataonay hanavotana ny fampianarana ireo zaza Malagasy maro be. Zavatra iray loha no hany hangatahanay ka hijoroanay sy hanaovanay vy very ny ainay toy izao. Manantena valiny mba positive kely fotsiny izahay aloha”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra.
“Mampalahelo ny zava-misy satria vao misy zavatra kely tsy mifanaraka amin’ny saina dia efa fitokonana no hatao voalohany. Mila jerena amin’ny fitondran-tena ihany koa anefa vao afaka manome sy mandray olona ho lasa mpanabe izany fa tsy olona liana korontana no handeha hanabe ireo zaza Malagasy. Asa masina izany ka toklony ho olona manana izay kolontsaina izay no manabe”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.
“Ao anatin’izany fanabeazan izany misy ny teny hoe “be”, izany hoe manabe, manalehibe. Lehibeazina amin’ny fomba sy ny lafiny rehetra ireo izay beazina ka tokony ho olona manana izay fahafahana izay no manao azy. Amiko aloha azo ampiasana ireo mpianatra nahazo ny “licence” ireo fa kosa tsy eny anivon’ny Lycée araka izay nangatahiny”, hoy i Miharisoa, mpandinika manokana mahakasika ny Fampianarana.
Mpianatra nahazo ny mari-pahaizana “licence”, izany hoe tao amin’ny taona fahatelo ireto mitokona ireto. Tokony hahalala ny azony sy ny tsy azony hatao anefa izy ireo noho izany fari-pahaizana hananany izany. Misy ny toerana manokana izay tokony hitokonan’izy ireo mba tsy hanohintohina ny olona sasany. Etsy andaniny anefa tokony hahazo vahaolana anaty fotoana fohy izy ireo hahafahana mandamina indray ny manodidina izay ahitana mpianatra sy mpiasa maro.
Miora Raharisolo
