Herisetra natao tamin’ny zazalahikely teny Ambohimirary
Miseho amin’ny endriny maro ny herisetra. Tsy ny herisetra ara-nofo ihany akory no enjehan’ny lalàna fa ny herisetra rehetra na ara-batana izany na ara-tsaina na ara-nofo. Efa betsaka ireo miady manohatra izany fa mbola misy foana anefa ankehitriny. Inona no antony ? ny fanabeazana ve no tsy ampy ka mila ampahafantarina dieny vao kely ireo fahaiza-miaina manohatra ny herisetra ?
Herisetra maro no niseho tamin’ity tranga iray teny Amohimirary (boriboritany faha5) ity. Zazalahy kely izay manodidina ny 12 taona eo izay avy nijery ny efitra hanaovany fanadinana CEPE Blanc no notondroin’ny olona fa nangalatra ny akoho amam-borony. Tsy nasiany fitserana kely akory fa nolelahany ary noraisiny tamin’ny ankon’ilay zazalahy avy eo ka natsipiny tany anaty tanimbary ary nioso-potaka teo izy. Nilaza ity zazalahy ity fa tsy fantany akory izany halatra izany kanefa izoa no ataony ahy, sady nitomany izy nitantara izany.
Efa misokatra ny fanadihadihana ataon’ny Polisy fa na inona na inona anefa enjehan’ny lalàna foana ny fanaovana herisetra indrindra fa amin’ny zaza tsy ampy taona. Tsy herisetra ara-batan aihany mantsy no niseho teto fa ara-tsaina ihany koa izaty samy nihatra tamin’ity tobvolahy ity. Betsaka ireo nanatri-maso ary olona iray no nanontaniana ka nilaza hoe : « Sendra nandalo aho no nahita an’ity zaza ity natsipy teny amin’ny fotaka, tsy fantatro izay nisy teo aloha fa ny fantako dia tsy rariny izao atao amin’ny zaza izao ».
Nicole Rafalimananjara
