Mampitaraina ny maro ny faharatsian’ny RN44
Betsaka no nitaraina tamin’ny faharatsian’ny lalana amin’ny lalam-pirenena faha2 iny izay mampitohy an’Antananarivo sy i Toamasina. Na dia ambara ombieny ombieny aza fa ny lalàna tsy azo hohanina fa mitondra hanina. Mampifandray ary mitondra vola sy fampandrosoana ny lalana. Isan’ny tena mampimenomenona ny mpampiasa lalana ihany koa ny faharatsian’ny lalam-pirenena faha-44 izay mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka. Efa ratsy ny lalana fa vao maika nanaratsy azy hatrany iny toetr’andro.
Isan’ny tena mampimenomenona ny mpampiasa lalana ihany koa ny faharatsian’ny lalam-pirenena faha-44, izay mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka. Efa ratsy ny lalana fa vao maika nanaratsy azy hatrany iny toetr’andro nanerika iny hoy ny mpamily iray tany an-toerana. I Ambatondrazaka anefa hiara-mahalala fa isan’ny sompitr’i Madagasikara amin’ny fambolem-bary sy famokarana vokatra hafa.
Tsy vitsy ireo nitaraina satria lasa sakana ho an’ny fidiram-bolan’ny maro izao satria sady ela vao tonga ny fiara no mbola mety ho simba ihany koa sy olana maro hafa.
Nicole Rafalimananjara
