ActualitésTsidika

Alasora: Maimaim-poana ny fakana fanamarinam-pahaterahana ho an’ny mpianatra


Maimaim-poana ny fakana ny fanamarinam-pahaterahana (Bulletin de naissance)  ho an’ny mpianatra, amin’izao fotoana izao ao amin’ny kaominina Alasora. Entina hanamorana ny fikarakarana ireo antotan-taratasy ho an’ireo mpianatra manala ny fanadinam-panjakana no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany, araka ny voalaza.
« Fanapahan-kevitra noraisin’ny ben’ny tanàna sy ireo mpanolo-tsaina eto anivon’ny kaominina  ny hanomezana maimaim-poana, izan hoe tsy andoavana sarany ny bulletin de naissance ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana eto amin’ny Zap Alasora » hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.
« Tsara marihina anefa, fa araka ny fivorina izay natao niaraka tamin’ireo talen-tsekoly dia ireo sekoly ianarana no memetraka ny fangatahana ahafahana mahazo izany maimaim-poana » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny manampy betsaka ny mpianatra amin’ny fikarakarana ny antotan-taratasy ilaina amin’ny fiatrehana fanadinana ny tolotra tahaka izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire