Kaominina Fiombonana-Itaosy: Tokantrano 3 nisy nanafika
Tokantrano miisa 3 no nasesin’ny jiolahy miisa 10 notafihina teny Marobiby, kaominina Fiombonana, Itaosy ny alahady alina teo. Vola 2 tapitrisa no voaroba nandritra izany. Trano fisotroan-toaka, mpivarotra enta-madinika sy mpanao “cash-point” no lasibatra tamin’izany. Voalaza fa nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy ary nampitahotra tamin’ ny famaky sy ny antsy lavalela ny mpandroba ary namoaka vava fa mbola hiverina.
