ActualitésTsidika

Tsy zarizary ny fitaovana fampiterahana any amin’ny tobim-pahasalamana ao Fiaferana

Tsy maharaka ny fitombon’ny vehivavy tonga miteraka ny fitaovana ao amin’ny tobim-pahasalamana fototra ao amin’ny kaominina ambanivohitra Fiaferana, distrikan’Avaradrano. Voatery tsy maintsy mandefa ireo mpiteraka eny amin’ny hopitaly lehibe ireo mpampiteraka rehefa nisy trangana fahasarotana mandritra ny fiterahan’ny vehivavy bevohoka iray. Misedra olana amin’ny lafiny fampitaovana noho izany ity tobim-pahasalamana iray ity. Eo ihany koa ny mbola tsy fisian’ny mpitsabo.

Tsy azo hodian-tsy hita ireo ezaka maro ataon’ny fanjakana manoloana ny fanatanterahana ny tanjona manoloana ny fitsaboana manakaiky vahoaka, saingy mbola maro hatrany ireo tobim-pahasalamana misedra olana mandritra ny fanatanterahana ny asa, izany hoe tsy manaraka ireo fenitra takiana amin’ny fitsaboana ny fitaovana ampiasaina.

« Izay fitaovana eto am-pelatanana ihany no ampiasaina rehefa mandray vehivavy hiteraka izahay » hoy i Rakotondramanana Ranto, mpampivelona. « Manentana ireo reny bevohoka rehetra hanatona mpitsabo mandrira ny fotoana hitondrana vohoka, hirosohana amin’ny mety ho fisian’ny fahasarotana rehefa hiteraka. Raha ny tombana mantsy dia ireo vehivavy tsy nanaraka fitsaboana ihany no hitrangan’ny fahasarotam-piterahana teto amin’ny tobim-pahasalamana Fiaferana » hoy hatrany ireo mpampivelona.

Mangataka ny Minisiteran’ny fahasalama-bahoaka izahay hampitombo ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana aty amin’ny distrika izay misy anay. Mangataka ihany koa izahay ny hisian’ny mpitsabo eto amin’ny tobim-pahasalamana sy ny hanatsarana ireo fampitaovana rehetra » hoy i Andrianaho Ratovelomanana, ben’ny tanàna ao Fiaferana.

Anisan’ny antoka lehibe amin’ny ady atao manoloana ny fampienana ny tahan’ny vehivavy maty eo am-piterahana ny fisian’ny fitaovana sy fotodrafitr’asa manara-penitra eo amin’ny tobim-pahasalamana iray. Maro anefa ireo faritra mitaraina fa miaina anaty olana tanteraka ka tsy hitan’ny fanjakana amin’izao fotoana. Fahasalama mendrika ho an’ny rehetra no voarakitra anaty velirano fahadimin’ny Filoham-pirenena, izay mifameno tanteraka amin’ny velirano fahavalo izany. Azo hantenaina ve ny hahatanteraka ireo velirano ireo manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire