Fifehezana fotoana : Inona no tokony ho ataon’ny mpandraharaha ao anatin’ny tontolo andro ?
Mampametra-panontaniana ireo mpandraharaha matetika ny hoe « ahoana no handaminako ny tontolo androko ? » Inona tokoa àry no tokony ho ataon’ny mpandraharaha iray ao anatin’ny tontolo andro ?
Volaohany, mila manana ny lisitry ny olona tokony hifandraisana ny mpandraharaha iray, satria rehefa mandraharaha isika dia tsy maintsy mila ny hafa foana fa tsy mahavita tena, ary ny hafa ihany koa mila antsika. Iza avy ny olona tokony ho antsoina androany ? Mpiara-miasa sa mpamatsy vola sa mpanolo-tsaina sa mpanjifa ? Na dia miasa ao an-trano ihany aza isika dia mila mifandray amin’ny hafa ivelany foana raha te handroso hatrany.
Faharoa, mila mandefa tolo-barotra ho an’ny mpanjifa foana isika isan’andro na dia sahirana aza. Ny orinasa mantsy tahaka ny mitaingina tongomalady : raha tsy mivoy intsony dia mianjera avy eo. Ny mpanjifa no aina mamelona ny orinasa iray, ka tsy tokony ho atao ambanin-javatra izy ireny satria mila tsaroana foana fa maro ny hafa mpifaninana amin’ny tena.
Fahatelo, tokony hamarinina foana ny fandeham-bola isan’andro sao misy vola tsy voaloa na tsy naloan’ny mpividy ka hiteraka fatiantoka ho an’ny orinasa na hiteraka henatra ka hanimba ny sarin’ny orinasa izany.
Fahefatra, tsara foana ny mifampiresaka amin’ny mpiasa satria sady fahasoavana ho antsika ny fisiany no mahasoa ny orinasa ihany koa. Ny fifampiresahana amin’ny mpiasa ihany koa no hamantarana ny olana sedrain’ny orinasa sy ny olana ao anatin’ny orinasa.
Fahadimy, tsy tokony hitsahatra ny hikaroka isan’andro ny mpandraharaha iray mba hampitomboina sy hampiakarana hatrany ny orinasa. Mivoatra isan’andro ny tontolo ka tokony hivoatra isan’andro ihany koa ny olona iray.
Fahenina, ilaina ny fanamarinana ny kaonty any amin’ny banky isan’andro satria sady fitaovana hanome hery isan’andro ny fijerena an’iny no sao dia misy olana ihany koa. Matetika mantsy rehefa mahita ny vola any amin’ny banky dia mieritreritra foana hoe « ahoana no atao ampiakarako an’io ? » hany ka manampy hametraka fanamby sy tanjona foana.
Fahafito, mila miambina isan’andro ny momba ny orinasa. Inona no resahin’ny olona momba antsika sy ny orinasa ary ireo mpifaninana ? Momba ny vokatra vokarina sy ny ampaisaina ?
Fahavalo, tsara raha omena sehatra ny olona akaiky antsika isan’andro fa tsy sanatria mifantoka foana amin’ny asa. Manan-karena ny mpandraharaha iray fa saingy tsy vola ihany fa eo ihany koa ny fitiavana, ka tokony hanokana fotoana hiara-mitafatafa amin’ny fianakaviana sy ny olon-tiana ary ny namana aman-tsakaiza.
Fahasivy, mila fantarina ny momba ny tena. Inona avy ny dingana efa vita ? Raha tiana mantsy ny hampitombo ny orinasa dia mila jerena avy ny dingana nahatongavana tamin’izao toerana izao.
Fahafolo, ilaina ny fanaovana lisitra ny zavatra tokony ho atao amin’izay tsy misy adino, ary hita ihany koa izay hanampiana azy. Inona ny singa azo hanampiana ity lisitra ity mba hanatsaratsara azy kokoa ?
Miasa isan’andro izany mapndraharaha izany, ary tsy tokony hipetrapetraka handany fotoana amin’ny tsy misy antony. Misy tanjona avokoa ny zava-drehetra ka ezahina ho tratra foana izany tanjona izany.
Nicole Rafalimananjara
