Sabotsy Namehana: Nisy ny fanalana ireo mpivarotra amin’ny sisin-dalana
Nisy ny fanalana ireo mpivarotra amin’ny sisin-dalana tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ny faran’ny herinandro las teo. Araka ny voalaza, efa voafaritra anaty fitsipika mifehy ireo mpivarotra fa hatramin’ny valo ora marina no fe-potoana hivarotan’izy ireo isa-maraina, nisy anefa ireo tsy nanara-dalàna ka nahatonga ny avy ao amin’ny kaominina nandray fepetra avy hatrany ka nanala ireo mpivarotra tamin’ny sisin-dalàna.
« Efa voafaritra anaty lalàna fa tsy azo hivarotana ny sisin’arabe. Anisan’ny mahatery ny lalana, mampijaly ny mpandeha tongotra sy ny miteraka fitohanan’ny fiara ny fivarotana amin’ny sisin-dalàna. Efa misy ny tsena voatokana amin’ny fivarotana ka rehefa tonga ny fotoana dia tokony niala araka ny lalàna ireo mpivarotra » hoy i Haja, mpandrindra tsena.
« Mila fifampifehezana ny resaka tsena eto amintsika. Ny mpivarotra te hivarotra dia tokony hanara-dalàna raha te hitady vola. Ny mpandalo sy ny mpiantsena ihany koa tokony hanaja ny tsena, ny tsy fanajana ireo no anisan’ny mahatonga tsy fanaran-dalàna eto amintsika ka mahatonga korontana isan-karazany » hoy i Rotsy, mponina ao Sabotsy Namehana.
Anisan’ny sehatra mivelatra ny varotra eto amintsika. Mifameno sy mifamelona avokoa na ny mpivarotra na ireo tantsaha mpamokatra na ny mpanjifa. Tokony samy manara-dalàna avokoa ny rehetra mba hisorohana ny korontana. Anisan’ny miteraka fati-antoka ny fahaverezana na ny fahasimban’ny entana amidy isan-karazany ka tokony sorohana amin’ny fanarahan-dalàna izany.
Manitra Ramanantsoa
