Maurice : Hisy ny tambi-karama isakin’ny mpiasa manomboka ny taona ho avy izao
Hahazo tambi-karama Rs 1 000 avokoa ny mpiasan’ny orinasa tsy miankina sy ara-panjakana rehetra manomboka ny faran’ny volana janoary 2023 izao hoy ny minisitry ny fitantanam-bolan’ny nosy, Renganaden Padayachy. Nokajiana arakin’ny tahan’ny fisondrotry ny vidim-piainana novinavinain’ny Statistics Mauritius ho an’ny faran’ity volana ity io sandam-bola io izay mahatratra hatramin’ny 10,7 %.
Hanoherana ny ampahatelon’ny fahaverezan’ny fahefa-mividy io vola io raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Arakin’ny tarehimariky ny Statistics Mauritius mantsy dia nandany Rs 3.400 nihoatran’ny fandaniay avy ny tokantrano iray nanomboka ny volana janoary 2022 nohon’ny fiatrehana ny fisondrotrin’ny vidim-piainana sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika.
