ActualitésTatitra

Maurice : Tontosana ny valan-dresaka iraisam-pirenena momba ny « agriculture intelligente »

Mifarana androany 17 aogositra ny valan-dresaka iraisam-pirenena momba ny « agriculture intelligente » manoloana ny toetrandro izay notontosaina tao Belle Mare. Raha tsiahivina dia tafiditra ao amin’ny tetik’asa « Transformation de Belle-Mare en un village d’agriculture intelligente face au climat pour la résilience climatique, la sécurité alimentaire et la réduction de la pauvreté de ses agriculteurs » io hetsika io.

Ny oniversiten’i Maurice kosa no nikarakara ny hetsika izay novatsian’ny Union Européenne sy ny governemanta ao Australie vola. Tanjon’io valan-dresaka io kosa ny fanampiana ireo mpamboly ao Belle-Mare sy ny manodidina azy amin’ny fampivelarana ny « résilience » manoloana ny toetrandro ary fampirisihana azy ireo handray fomba fiasa vaovao amin’ny fambolena maharitra raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire