ActualitésTsidika

Andavamamba : Hahazo toeram-ponenana vaovao

Hisy fanorenana toeram-ponenana ho ataon’ny tetikasa fampandrosoana sy maharitra na ny "Produir" etsy Andavamamba. 
Miasa hatrany ny Produir, manatanteraka ny tetikasa ho fanatsarana ny tananan’Antananarivo. Efa misimisy ihany ny tetikasa sy tolotra vitan’izy ireo ka anjaran’Andavamamba indray izao no misitraka ny fanadiovana sy fanomezana endrika vaovao ny Tanana. Ahitana trano miisa sivy amby roapolo izay hitsinjara ho efitrano fito amby valopolo ary efa misy rano fisotro madio sy fotodrafitrasa toy ny fanasan-damba sy tsena ny toerana. "Tokantrano miisa efatra amby valopolo no tsy maintsy afindra toerana noho ny tetikasa fanadiovana ny manodidina ny lakan-drano c3 io" hoy hatrany ny fizarana nataon’izy ireo. 
Tsara ny fananganana fotodrafitrasa tahak’izao fa kosa tokony atao mazava dieny aty am-boalohany ny fifanarahana, sao ny mponina manantena Tanana vaovao kanefa rehefa mitsangana ny trano, tsy takatry ny vahoaka madinika ny fipetrahana ao amin’ilay toerana. Izy ireo anefa, tsy manana trano fonenana fa nafindra kely tamin’ny fanatantanterahina ny tetikasa fotsiny ihany. Sao fanenana ny loto sy fanatsarana ny Tanana no tanjona kinanjo vao mainka nitarika tamin’ny fisian’ny trano bongokely erakin’ny sisin’ny lakan-drano. Tsara apetraka tsara dieny voalohany foana ny serasera sy fanazavana’’ hoy ny ray aman-dreny be iray teo an-tanana. Raha ny filazan’i Ranto, izay mponina eo Andavamamba kosa : "hadio sy handroso amin’izay izany Andavamamba".

Ao anatin’ny fanatsarana an’Antananarivo ny Produir. Arifomba sy avo lenta tokoa raha ny modelin’ny tetikasa no jerena. Fa kosa ahoana sy ahoana ny fepetra amin’ny fipetrahana ao amin’io toeram-ponenana ho atsangana io. Ho zakan’ny mponina ve ny mipetraka ao ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire