ActualitésTsidika

Tratra ireo mpanampy nandositra

Tratra teny Antanifotsy ireo mpanampy telo mianadahy nangalatra tetsy Ampefiloha rehefa nanaovana filazana fikarohana.

Raha tsiahivina ny tantara, voalaza fa nangalatra ireto mpanampy telo mianadahy ireto ary nandositra avy eo. Nentin’izy ireo nanaraka azy ihany koa ny zanakin’ny havan’ny mpampiasa efa-taona fa kosa naverin’izy ireo moramora rehefa ren’izy ireo fa nikaroka hatrany Antsirabe izay toerana niavian’izy ireo ny ray aman-drenin’ity zaza. Tratra tetsy Antanifotsy kosa ireto mpangalatra ireto arakin’ny fanambarana nataon’ny teo anivon’ny Polisim-pirenena.

Naneho ny heviny momba ity tranga ity indrindra ny psychologue iray : «Matetika tokoa mametraka fahatokisana amin’ny mpanampy ao an-trano ny mpampiasa, indrindra ireo renim-pianakaviana satria iny no hikarakara ny tokantranony sy hitaiza ny zanany ao. Tokony asiana fetra nefa io fahatokiana io, voalohany indrindra izay tokony ho fantarin’ireo mpampiasa, samy manana ny mari-pahaizany sy ny fari-piainany ary ny tany niaviany ny olona tsirairay avy.

Rehefa manomboka miasa amin’izay izy ireny, marobe hy zava-baovao mbola tsy hitan’ny masony toy ny fisian’ny zava-tsarobidy ao an-tokantrano, mampitsiry filan-dratsy ao anatiny ireny. Ka ny tokony atao manoloana izany, ampianarina sy beazina arakin’ny tokony ho izy ireny mpanampy ireny. Beazina arakin’ny fomban’ny ao an-tokantrano ary atoro azy mazava tsara ny tokony ho fifampitondrana ao an-tokantrano. Amin’izay fotoana izay, hisy ny fifanajana ary tsy ahiana hifarana amin’ny fangalarana sy fandosirana ny fisarahana raha ho tonga amin’izany fa tso-drano sy fihavanana».

Efa herintaona niasana tao amin’ilay tokantrano ny iray. Nahatoky azy ny mpampiasa ary nanaiky ny hiakaran’ireo iray tampo aminy aty an-drenivohitra hanampy amin’ny asa an-trano. Vao telo volana izay no nahatongavan’ireo anankiroa. Rehefa tsy tao ny tompon-trano dia izao nandositra niaraka amin’ny entana, toy ny solosaina, « tablette » sy ny maro hafa, izao izy telo. Lasan’izy ireo ihany koa ilay zazakely, raha ny fanazavana.

Mbola maro amintsika Malagasy tokoa ny matoky olona, izay soatoavina mampiavaka antsika. Ny vokatra ho entin’io fahatokiana olona io anefa matetika, fanararaotana hatrany. Indrindra ny tena ahitana azy io, eo amin’ny mpampiasa sy mpiasa an-trano izay efa mihevitra ho toy ny ankohonana iray mihitsy.

Asa toy ny asa rehetra anefa io, tokony asiana hatrany ny fifaranarahan-kasa, apetraka ny fitsipika sy fepetra rehetra mifehy ny asa. Mipetraka amin’ny toerany avy ny andaniny sy ny ankilany. Mila ovaina koa ny fanaon’ny ankabeazan’ny mpampiasa matoky be loatra ny mpanampy ao an-tranony mba hihenan’izao tranga izao. Rehefa tsy mari-pototra sy ahitana zava-baovao tsy mahazatra aleo atsahatra.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire