Anjeva: Ravan’ny avandra ny fambolena
Anisan’ny seha-pivelomana ifotoran’ny ankamaroan’ny mponina ao anatin’ny kaominina Anjeva ny fambolena. Amin’izao fotoan’ny fahavaratra izao anefa, indrindra tamin’ny nisian’ireo orambe nisesisesy tamin’ity herinandro ity, niampy ireo avandra izay nandrakotra ny tanàna, simba sy ravan’izany ny voly ao an-toerana, raha ny voalaza.
“Mijaly ny tantsaha. Raha ny olan’ny fahatapahan-jiro misesy sy ny olana hafa isan-karazany hiainana tsy mbola misy dikany mihoatra ny faharavan’ny fambolena vokatry ny oram-baratra sy ny avandra izay miseho tao anatin’ny 4ora” hoy I Noely, mpamboly.
“Miteraka faty antoka tanteraka ny fahapotehan’ny voly tahaka izao. Misy akony tanteraka amin’ny famokarana izany ho an’ny mponina ambanivohitra satria tsy volin’olona iray ihany no tratran’izao fa volin’ny iray vohitra” hoy I Haja, mpanao ekonomia.
Toa ny tranga voajanahary rehetra anefa, tsy mbola voafaritra na azo atao ny miady amin’ny avandra na dia ratsy aza ny vokany aterany amin’ny fiainan’olombelona. Rafotsy be very laona ve, araka izany ireo mpamboly, ka miandry izay higadonany?
Manitra Ramanantsoa
