ActualitésTatitra

Comores : Ho ferana ny fampiasana plastika

Ny orinasa «Non Woven Comoros LTD.Sarl» sy ny fikambanana « A2djl » (association pour le développement durable des jeunes leaders) dia mahavita mamokatra harona mety levona na « biodégradable » maherin’ny 60 000 isan’andro. Manoloana izany dia efa mikasa hanatsahatra ny fanafarana ireo harona tsy mety levona ny tompon’andraikitra.

Dimy taona lasa izao no nametrahana ny lalàna lahatrana 17011/Au tao an-toerana izay mandrara ny famokarana, fanafarana ary ny famaritana harona plastika tsy mety levona. Tsy mbola nihatra nefa io lalàna io saingy manoloana ny fahafaha-mamokatra betsaka ireo orinasa mamokatra harona mety levona ireo dia mikasa ny hametra ny fampiasana ny plastika ireo tompon’andraikitra.

Nanamafy ny talen’ny orinasa«Non Woven Comoros LTD.Sarl», Aboubacar Mohamed fa afaka mampitombo ny famokarany izy ireo raha ilaina izany.

Laisser un commentaire