ActualitésTsidika

SSMAF : Sady miala voly no mianatra ireo taranja mahaliana

Hotanterahina ny 15 jolay hatramin’ny 16 septambra 2023 izao indray ny andiany fahatelo amin’ny hetsika SSMAF. Toy ny mahazatra hatrany dia hanentanana ny rehetra indrindra ireo mponina eny amin’ny manodidina an’ny Ambohimangakely iny ny hetsika. Roa volana be izao ny fotoana ahafahan’ny tsirairay miala voly no sady mianatra zava-baovao.

« Nosafidiana manokana ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra no hanatanterahana ny hetsika satria mandritra io fotoana io no malalaka ny fotoana ho an’ny rehetra indindra ny ankizy sy ny tanora. Manana fotoana betsaka ahafahana miala voly kokoa izy ireo mandritra io ka azony atao ny manatrika ny SSMAF. Tsy voatery hiala voly irery ihany fa afaka mianatra zava-baovao ihany koa izy ireo amin’izany », hoy ny  mpikarakara.

« Efa liana tamin’ny lalao echec foana hatramin’izay fa tamin’iny fotoana iny dia afaka nandray an-tanana ireo kilalao mihitsy. Afaka nahalala ny tena votoatin’ny kilalao ka afaka nampitombo fahalalana amin’izay. Mbola tsy tena mahafehy fa tsapako hoe nilaiko ilay SSMAF nahafahako nianatra zavatra vaovao », hoy i Mickaella, nandray anjara tamin’ny SSMAF 2021.

Tsy ho voatanisa ny tombontsoa azo tovozina amin’ity hetsika ity. Natao indrindra eny amin’ny tontolo mivoaka kely ny renivohitra izany ahafahana mampahafantatra zavatra hafa ny ankizy sy ireo izay liana ary ihany koa ahafahana manome sehatra ireo izay tsy afaka misitraka izany amin’ny toerana hafa.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire