Ambohimangakely : Misokatra ny fianarana Aikido
Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny fampianarana aïkido ao amin’ny BTC Ambohimangakely. Betsaka ny tanora liana main’ny haiady amin’izao ary izay no antony nahatonga ny BTC nanisy ny Aikido.
« Tena ilaina ny mitaiza vatana. Isan’ny mikolo ny vatana ny haiady. Efa ela no nampianarako ity Aikido ity ary efa nandehanako toerana maro mihitsy aza » hoy i Maître Felicien, mpampianatra Aikido ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Isaky ny alarobia sy asabotsy amin’ny 1sy sasany hatramin’ny 3 ny fianarana izany. Mirary tokoa ny saram-pianarana ho an’ireo liana » hoy i Hasina, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC Ambohimangakely.
Marihina fa mbola maro ny fampianarana hita ao amin’ny BTC. Hita ao avokoa na ny fianarana arak’asa na ny fianarana ala voly toy ny dihy sy ny zava-maneno.
Nicole Rafalimananjara
