Sabotsy Namehana : Mikarakara lalao baolina kitra ny kaominina
Mikarakara lalao baolina kitra ho an’ny mponina ao Sabotsy Namehana ny kaominina. Manomboka ny alahady 27 martsa ho avy izao izany.
« Azon’ny rehetra atao ny manatrika ny lalao manomboka amin’ny 9 ora maraina. Isaorana ireo mpanohana rehetra toy ny ASN sy ny fikambanana Avotraina » hoy ny ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana, Andriamosa Avotraina. « Tena mahafinaritra mihitsy ny ezaka fanomezan-danja ny tanora tahaka izao. Afaka miaina tsara ao anaty tontolo tiany tanora. Tsy variana amin’ny zava-mahadomelona intsony » hoy i Rado, mponina ao Sabotsy Namehana.
Betsaka ireo klioba ao Sabotsy Namehana misehatra amin’ny baolina kitra. Isan’ny tena miroborobo tokoa izany eto Avaradrano.
Nicole Rafalimananjara
