Social

Ny ady amin’ny aretina tazomoka.

Maro ny aretina hita amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Ankoatra ny areti-kibo avy amin’ny fahalotoana, eo ihany koa ny tazomoka avy amin’ny tsimokaretina izay entin’ny moka amin’ny olombelona. Miteraka izany ireo lobolobo eny amin’ny faritra mando isan-karazany. Efa manao ny ezaka rehetra amin’ny ady amin’izy ity ny minisiteran’ny tompon’andraikitra nandritra ny taona maro lasa izay. Ny olana anefa, misy manodikodina ireo fanafody entina hitsaboana ity aretina ity. Maro amin’ny olona, indrindra ny any ambanivohitra, no tena tratan’ny tazomoka. Tsy maintsy manantona toeram-pitsaboana maika izy ireny mba tsy ho tonga amin’ny fahafatesana. Tsy misy anefa ny fanafody noho ny fisian’io fanodikodinana io eny amin’ny toeram-pitsaboana. Mbola betsaka ireo maty vokatry ny tsy fisian’ny fanafody any amin’ny distrika maro. Nanao antso avo amin’ny fanjakana sy ireo olom-boafidy rehetra amin’ny fanaraha-maso ny fitantanana ireo fanafody ireo ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire