Nigeria : 137 amin’ireo mpianatra 287 nalaina an-keriny tao an-tsekoly no navotsotra
Ankizy mpianatra maherin’ny 130 tamin’ireo nalaina an-keriny, roa herinandro lasa izay, tao amin’ny sekoly fianaran’izy ireo tao Kaduna, any avaratra andrefan’i Nigeria, no avotra soa aman-tsara ny alahady teo ary nahazo fanohanana ara-tsaina mialohan’ny namerenana azy ireo any amin’ny fianakaviany, hoy ireo manam-pahefana nizerianina. Andro vitsy mialohan’ny fahataperan’ny fe-potoana handoavana ny vidim-panavotana azy ireo, ireo misanda iray miliara naira (638.000euros) no voavonjy ireto farany. Na dia efa nanao fampilazana ny tomponandraiki-panjakana ao amin’ity firenena ity aza ireo avy amin’ny sekoly sy ny ray aman-dreny, fa ankizy miisa 287 no nalain’ny andian’olona mitam-piadiana, nandeha tongo-droa, an-keriny tao amin’ny sekoly mitoka-monina any Kuriga ity ny 7 martsa teo, dia efa avotra soa aman-tsara ny 137 tamin’ireo ankizy, izay 76 no ankizy vavy ary 61 ny ankizilahy. Anisan’ny tranga niseho tato ho ato tao Afrika andrefana ny trangana fakana an-keriny.
