Ankadikely Ilafy: Lehilahy iray mpivarotra zava-mahadomelina, tratra tao Ambohitrarahaba
Lehilahy iray manodidina ny 50 taona no saron’ny zandary avy ao amin’ny brigady Ankadikely, nivarotra rongony, tao Ambohitrarahaba, ny faran’ny herinandro teo. Noraisim-potsiny ity farany, rehefa avy nahazo angom-baovao tamin’ny mponina teny an-toerana ny mpitandro filaminana, araka ny voalaza.
« Angom-baovao voamarina no natonga ny zandary avy eto amin’ny brigade Ankadikely nanao be midina teny an-toerana. Voasambotra teo am-pivarotana rongony araka izany ity lehilahy iray ary tratra teny aminy ny rongony amidiny sy ny taratasy famonosany izany » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
« Mety mbola maro ireo mpivarotra sy mpamatsy zava-mahadomelina any anelakelan-trano any. Mila manao fisafoana ihany koa ny mpitandro filaminana satria anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ity tranga ity » hoy i Tiana, renim-pianakaviana.
Taorian’ny nahatratrarana ity lehilahy ity moa dia natao fanadihadiana avy hatrany izy, ary voatazona am-ponja vonjimaika.
