Ady ao Ukraine : Fipoahana maro no re tao Kiev, toeram-pamokarana herinaratra iray nirehitra
Tombana vaovao mahakasika ny fifanoherana misy eo amin’ny Ukraine sy Russie. 11 indray ireo olona naratra taorian’ny fanafihana tamin’ny alalan’ny drones, tao atsimon’i Ukraine, araka ny loharanom-baovao omaly alatsinainy. fipoahana maro no re toa an-toerana nandritra izany, izay naharavana toeram-pitrangahana angovo maro. Ankoatra izay, nirehitra ihany koa ny toerana famokarana herinaratra an’i Russie, tao amin’ny faritr’i Rostov, vokany tsy miasa araka ny tokony ho izy intsony ity toeram-pamokarana ity, izay toerana faharoa famokarana angovo ao an-toerana. Nanambara ireo manampahefana Okranianina fa namely ny faritra atsimon’i Mykolaev sy Odessa ny tafika rosianina. Ireto firenena roa ireto izay samy nampitombo ny fanafihana hanabakabaka tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izao.
