Vilihazo: Mahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana
Mitaraina, manao antso avo amin’ny manam-pahefana ireo mponina ao amin’ny kaominina Vilihazo amin’izao fotoana izao, noho ny tsy fandriam-pahalemana. Manao vy verin’ny ainy ireo vatan-dehilahy, manao fiambenana amin’ny alina, araka ny voalaza.
« Manao antso avo raha mbola misy ny tomponandraikitra maheno fa mijaly izahy mponina manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ety an-toerana. Misy ny fiambenana ataon’ny vatan-dehilahy amin’ny andrimasom-pokonolona, saingy mila tolo-tanana avy amin’ny mpitandro filaminana » hoy i Fetra, mponina ao Vilihazo.
« Mamely ny asan-jiolahy. Efa manao ezaka ny vatan-dehilahy isan’alina tsy tapaka manao ny fiambenana saingy etsy ankilany tsy ampy ny hery manoloana ny hamafisan’ny asan-jiolahy » hoy i Doda, mpandray anjara amin’ny andrimasom-pokonolona.
Miara-misalahy avokoa na ireo tanora, na ireo olon-dehibe vatan-dehibe mandritra ity hetsika fampandriana fahalemana ity. Mangataka amin’ny tompon’andraikitra izy ireo araka izany mba hijery akaiky ny zava-misy ka hanetsika ireo mpitandro filaminana hanampy azy ireo.
