Tsidika

Robotika : Tonga soa aman-tsara any  Sénégal ireo mpifaninana Malagasy hiatrika ny “Pan-Africain robotics competition” 2023.

 Andro vitsy lasa izay dia nanao antso fanampiana ara-bola i Law Anthony Randriamaro sy i  Ziona Alberson Toavimbahoaka izay mpianatra avy etsy amin’ny Polyteknika Vontovorona mba ahafahan’izy ireo manatrika ity du Pan-Africain robotics competition» (Parc) 2023. Ankehitriny kosa dia efa tonga soa aman-tsara any Dakar Sénégal izy roa lahy ireto hiatrika ny dingana famaranana amin’ity fifaninana ity.

“ Efa tonga any Dakar ireo mpifaninana robotika izay hisolo tena an’i Madagsikara. Isaorana isika rehetra izay nanolo-tanana nanampy azy ireo. Manantena ihany koa izahay fa hanohana azy ireo hatrany isika Malagasy rehetra.”Hoy ny solon-tenan’ny mpianatra eny amin’ny Politeknika

“ Reharehan-tsika ny fanana tanora manana fahaiza-manao avo lenta tahaka izao. Ary Fanta-tsika fa ilaina ny olona tahaka an’Izalahy ireo mba hananan-tsika fitaovana elektronika sahaza sy mety ho antsika eto Madagasikara. Mino aho fa maro ianareo no tahaka azy ireo ka trandraho ny fahaizana sy ny talenta entina ampivoarana ny firenena. Ka eto dia manatitra ny firarian-tsoa Zalahy an!Alefa fa reharehanay ianareo. »  Hoy ny  enjeniera mekanika iray.

 Nanana ny toerana izay tsara dia tsara tokoa ireto mpifaninana Malagasy ireto nandritra ity fifaninanana ity  satria dia tafapetraka teo amin’ny laharana faha-2 izy ireo tamin’ireo ekipa 64 nandray anjara erak’i Afrika . Araka ny fandaharam-potoana dia ny faha-29 Jolay ho avy izao izy ireo no hanao handrana ny fitaovaana izay noforonin’izy ireo, dingana izay tsy maintsy tanterahana ho an’ny dingana famaranana.

Miranto Andrrih

Laisser un commentaire