Andavamamba : Inona no nahazo ilay lehilahy namoy ny ainy teo am-pamiliana ?
Lehilahy iray no maty teo am-pamiliana fiara teo Andavamamba ny 17 janoary lasa teo. Efa natao ny vonjy voina rehetra saingy tsy tana ny ainy.
« Nijanona somary nitrosona ilay fiara nentin’ity rangahy namoy ny ainy iny rehefa namela ny laharam-pahamehana naneha izy » hoy i Fidy, mpivarotra teo amin’ny manodidina nitrangan’ny loza. « Gaga ihany izahay mpandamina ny fifamoivoizana tamin’ity fiara tsy nihetsika ity intsony. Efa nomena alalana handeha amin’izay mantsy izy saingy tsy nihetsika. Nantonina ilay fiara kanjo vatana efa nihinjitra no hita » hoy ny mpitandro filaminana. « Tena mampalahelo tokoa ny zava-nisy. Tsy fantatra intsony na efa narary ilay rangahy na ny toetr’andro na ny valan’aretina na fijanonan’ny fo tampoka no nahafaty azy. Mila mitandrina mandrakariva isika rehefa mivoaka ny trano » hoy i Fenitra, mpamily fiarakodia.
Tsy nampoizina tokoa ny zava-nitranga toy izao. Mila mailo amin’ny fahasalamana mandrankariva isika. Zava-poana ny rehetra raha toa ka ny fahasalamana no tsy eo. Zava-poana ny ezaka amin’ny fampandrosoana raha tsy salama ny mpitondra sy ny vahoaka.
Nicole Rafalimananjara
