Alasora : Miara-mientana manoloana ny tondra-drano ny rehetra
Efa mijery akaiky ny olana mikasika ny tondra-drano mponina sy ny tompon’andraikitra ao Alasora. Dibo-drano tanteraka ireo faritra iva ao amin’ny kaominina.
« Tsy ho vitan’ny hijery fotsiny manoloana ny fitarainan’ny mponina. Isaorana ny APIPA nanome ireto paompy roa lehibe mitroka rano ireto » hoy ny Ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy hifanakonana. Fotoana mihitsy ny vanim-potoana tahaka izao hanehoana ny firaisan-kinantsika vahoaka » hoy i Felana, mponina ao Alasora. « Mahafinaritra tokoa ny mahita ny fiaraha-mientan’ny rehetra mamonjy ireo mpiray tanindrazana tra-boina. Tsy ny loza no mahafaly fa ny fifankatiavana ao anaty loza no mahavelom-panantenana » hoy i Harry, mpianatra mikasika ny hai-fiarahamonina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Samy mandray lesona manoloana izao tondra-drano be eto Antananarivo, indrindra eto Avaradrano, izao ny isam-batan’olona. Tsara raha atao laharam-pahamehana ny fanamboarana ny tatatra handehanan’ny rano.
Nicole Rafalimananjara
