ActualitésTsidika

Manandriana : Napetraka ny lamina vaovao ao amin’ny CEG

Nisy ny lamina napetraka amin’ny fanabeazana tao amin’ny CEG Manandriana. Niditra ny 17 janoary teo mantsy ny mpianatra kanefa ny aretina mbola tsy foana eto amintsika.

« Mizara roa ny mpianatra isan-dakilasy. Ny laharana tsy ankasa no mianatra mandritra ny ora voalohany isan-taranja ary ny ankasa kosa ny fizaran’ora faharoa » hoy ny tompon’andraikitra ao ami’nny CEG Manandriana. « Tsy misy fiovana kosa ny fandaharam-potoana efa napetraka tany am-panombohan’ny taom-pianarana. Ary aza adino ny manao arotava ho an’ny mpianatra rehetra » hoy ny mpampianatra iray.

« Tena mety tokoa ny fandaminana tahaka izao. Ny fianarana mantsy tokony hitohy foana na eo az any valan’aretina » hoy i Vonjy, ray aman-drenin’ny mpianatra. Mbola sarotra ny handresy ny covid-19 saingy tsy tokony ho sakana eo amin’ny fiainana intsony ny fisiany. Tokony hahay hiara-hiaina amin’ny aretina isika indridra miaraka ami’ny fihetsika fiarovana amin’izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire