Dépêches

Fambolen-kazo : Nahemotra ny fambolen-kazo

19 Janoary, 08h00. Nanapa-kevitra ny filoha Andry Rajoelina fa hahemotra ny fanombohana ny fambolen-kazo tokony natomboka tao Mahanoro sy Iavoloha androany. Antony ny loza mihatra amin’ny fiakaran’ny rano eto Antananarivo sy manerana ny Nosy. Ny famonjena ireo tra-boina vokatry ny rotsak’orana aloha no ho atao laharam-pahamehana ary hisy fivoriana maika ho tanterahina androany 19 janoary miaraka amin’ireo minisitra mikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hametrahana ny paik’ady hiantrehana ny hamehana.

Laisser un commentaire