Ankadimbahoaka: Fiara vaventy tapaka hisatra, nandratra mpivarotra amoron-dalana
24 Febroary, 08h00. Fiara vaventy lehibe iray no tapaka hisatra teo Ankadimbahoaka omaly hariva ka nitorona ary nifatratra tamin’ny entana namidin’ny olona teo amoron-dalana. Vehivavay iray mpivarotra legioma no voadona tamin’izany ary naratra. Efa voaray an-tanana kosa ny fitsaboana azy.
