Nanome fanampiana ara-tsakafo ho an’ny vahoaka any Atsimo ny BNGRC
20 Jolay, 07h45. Nisy fanampiana ara-tsakafo ho an’ny vahoaka any atsimo izay tratran’ny Kere avy amin’ny Birao Nasionaly ho an’ny Fitantanana ny loza voajanahary na ny BNGRC. Efa tonga ao Ambovombe ny vary 400 gony sy ny siramamy 50 gony ary ny menaka 800 litatra. Ny Ivon-toeram-pibaikoana miady amin’ny Kere no hanatanteraka ny fitsinjarana izany fanampiana izany.
