Ambohitrimanjaka : Nasiana jiro ny làlana
21 Febroary, 14h00. Mba ho fitsinjovana ireo mponin’Ambohitrimanjaka manoloana ny tsy fandriam-pahalemana dia nisy ny fandraisana andraikitra. Nanapa-kevitra ny hametraka jiro eny an-toerana ho fanazavana ny làlana ny avy eo anivon’ny Jirama, araka ny toromariky ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo. Raha tsiahivina dia toerana hiaran’ireo mpitondra kodiaran-droa fanendahana matetika ity làlan’ny sampanan’ Ambohitrimanjaka ity, nangataka ny hisiana mpitandro filamianana hiaro sy hiambina amin’ny alina manodidina ihany koa izy ireo.
